Diso fiantefa (Kiaka)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao nitopy nahita anao ny masokoDia nahatsapa,lasanao izay foko
Misy zavatra hafahafa
Toa mangovitra aho,miamba-kavaka
Ny masonao anefa tsy eny amiko
Fa mijery an’ity namako
Izy angamba no sahaza
Ilay fitiavanao,izaho nangamba no tara
REFRAIN;
Ianao no tiko sy faniriko
Hahasambatra ahy ho mandrakizay
Indrisy anefa fa tsy mitoetra
Ao aminao ilay fitiavana ahy
Niezaka aho ny mba ho hitanao
Hahalalanao, izaho anie mila anao
Misy takona kanefa
toy ny rindrina avo be tsy misy fetra
Izy fona no resahinao
Izaho tsy misy ts’isy, tsisy azo atao
Ny foko anefa malahelo
Diso fiantefa izy ka mamelovelo
REFRAIN;
Ianao no tiko sy faniriko
Hahasambatra ahy ho mandrakizay
Indrisy anefa fa tsy mitoetra
Ao aminao ilay fitiavana ahy
Mba ilazao ihany aho e
Raha tsy tia akory ianao
Izaho anie mila anao e,
Fa hoporofoiko anao
Fitiavako tsy kilalao,
REFRAIN;
Ianao no tiko sy faniriko
Hahasambatra ahy ho mandrakizay
Indrisy anefa fa tsy mitoetra
Ao aminao ilay fitiavana ahy
Ianao no tiko sy faniriko
Hahasambatra ahy ho mandrakizay
Indrisy anefa fa tsy mitoetra
Ao aminao ilay fitiavana ahy
Ou ôh
Ou ôh
Ho mandrakizay
Ou ôh
Ou ôh
Ilay fitiavana ahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : KiakaHits : 18105
Likes : 2 Like
Created by : Nambinintsoa
Date : 24/07/2005 07:23
