MANAO TSIA (Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MANAO « TSIA »

Harena sarobidy nomen’ny Tompo ahy  ‘ty tenako ity
Nataony tena tsara ka mila karakara sy fitandremana
F’ilay satana ratsy mamoron-teti-dratsy hanimba azy re !
Mamela-pandrika, mamitapitaka, fa te-hamotika !

Koa raha misarika ahy ireo fakam-panahy
‘ty izaho hanao TSIA, TSIA, TSIA
Raha indro eo aloha ireo ota mahavoa
‘ty izaho hanao TSIA, TSIA, TSIA
Fa ny fahazazako sy ny fahatanorako tehiriziko ho madio
Ho an’i Jesosiko , Ilay Mpamonjiko, Fa Izy Tompoko !




     A/C : Seta M. RAMAHEFAHARISON
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
Vangy : 312
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jstone
Daty : 02/08/2022 00:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1004