Saino ihany (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Saino ihany eritrereto koa
(Fa mandalo) Ny eto an-tany miserana avokoa
(Ka) Aza variana sy sondriana ianao
Fa tsy fantatrao ny ho ampitsonao
Saino ihany eritrereto koa
('Zay hiseho) An-danitra any fiainana faharoa
(Fa) Sao dia hanody ka 'zao no tsarovy
Izay natao no hitsarana anao
Saino ihany (ka) eritrereto koa
(Saino ihany e)
Fa fiainana mandalo anie ny eto an-tany o!
Sao sokokan'ny mangidy mody mamy
Làla(na) mahitsy hantsana no hiafarany
Fa izao (fa izao) dieny izao (dieny izao) dia tapaho ny hevitrao
Ka raiso Jesosy ho Mpamonjy anao
(Saino ihany)
Saino ihany eritrereto koa
(Fa mandalo) Ny eto an-tany miserana avokoa
(Ka) Aza variana sy sondriana ianao
Fa tsy fantatrao ny ho ampitsonao
2)
Saino ihany eritrereto koa
(Azafady) Raha hanontany am-ponao ve Jesoa ?
(Sa) Mbola satàna no tamana aminao
Safosaoiny ho resin-tory ianao
Saino ihany eritrereto koa
(Fa nalatsa) ny koa ny ràny tsy manam-paharoa
(Ka) Foiny ny ainy ho famonjena anao
Ny fahantrany hampanan-karena anao
Saino ihany (ka) eritrereto koa
(Saino ihany e)
Fa fiainana mandalo anie ny eto an-tany o!
Aza miandry am-pitso am-pitso lava izao
Izay miseho anio tsy mbola fantatrao
Fa izao (fa izao) dieny izao (dieny izao) dia tapaho ny hevitrao
Ka raiso Jesosy ho Mpamonjy anao
(Saino ihany)
Saino ihany eritrereto koa
(Fa nalatsa) ny koa ny ràny tsy manam-paharoa
(Ka) Foiny ny ainy ho famonjena anao
Ny fahantrany hampanan-karena anao
A/C : RAKOTOTIANA Herizo Abrahama
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)Vangy : 10
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FitiaCatt
Daty : 04/02/2026 06:59
