Manana Anao (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Fony aho tsy nahalala
Dia niaina toy ireny adala
Very fanahy mbola velona
Rehefa nandre Teninao anefa aho
Hoe: "Anaka 'ndeha hanaraka Ahy"
Nodiovinao, noraisinao
Satria tianao ('zaho hihira hoe)
Manana aho, manana Anao (Ray)
Tsy diso aho nisafidy Anao
Ianao 'lay Raiko hatrizay
Tsy miova anio mandrakizay
2)
Fony izaho tsy nino Anao Jesoa
Dia tena olo-maloto fo
Tsy mendrika ny ekenao indray
Rehefa nandre Teninao anefa aho
Hoe: "Anaka manantona Ahy"
Notaominao ho zanakao
Sady malalanao ('zaho hihira hoe)
Manana aho, manana Anao...
3)
Ka anio Ray no hanavaozako
Ho Anao no hanolorako
'ty fo sy saina ary koa fanahy
Tsy mba hihemotra hiverin-dàlana aho
Fa hiroso ka hijoro vavolombelonao
Inty aho vonona
Hanara-dia Anao ('fa tsapako hoe)
Manana aho, manana Anao...
Ouhhh, ouhhh, ouhhh, ouhhh, ouh, ouh ┐
Manana aho, manana Anao ┘ x4
A/C : RAMANGATIANA Manoa Anjavola
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)Vangy : 24
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FitiaCatt
Daty : 04/02/2026 09:47
