ZANAK'ADALA (Tarika Hasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia nandao ny lapan-dRainy
Tamin-kafaliam-be
Noentiny ny anjara lovany
Ka dia nandao ity tanàna nahabe

Dia nandao ny lapan-dRainy
Tamin-kafaliam-be
Noentiny ny anjara lovany
Ka dia nandao ity tanàna nahabe

REF:(2)
Ö Ray ô Ray (Ray ô Ray)
'Ty zanakao (ity ny zanakao)
Mba raiso fa mivalo mitalaho
Tsy handao intsony re
'Zay vita nenina e!
Ka hody aho (hody aho)
Hody Aminao

Dia niliba sy nandany
Tsy nisaina ny hiafarany
Fa tena lany ritra ny eo an-tanany
Izay vao nidradradradra hoe

Dia niliba sy nandany
Tsy nisaina ny hiafarany
Fa tena lany ritra ny eo an-tanany
Izay vao nidradradradra hoe

REF:(2)
Nandevozina aho taloha
Afak'aho ankehitriny
Hody aho,
Hody ho any Aminao aho Ry Tompo ô


                 HASINA

A/C:José


                      
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Hasina
Vangy : 4961
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsirissi
Daty : 07/08/2009 10:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817