HANKALAZAKO ANAO (Groupe NAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hankalazako Anao
Ny tontolon’ny hatanorako
Hankalazako Anao
Izay mety lalana hombako
Hankalazako Anao
‘Reo noraisiko avy taminao Ray
Hankalazako Anao
Fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Na tsy mendrika aza aho eo anatrehanao
Tena tianao
Na dia lavo indraindray fa lavitra Anao
Tsy nafoinao
Izany indrindra re ry Raiko Malala o
No antony hankalazako Anao
Fa raha mbola velona aho
Dia hihira ho Anao

Na maraina na hariva ny andro
Tsy hitsahatra aho ny hidera Anao
Na hatsiaka na baliaka masoandro
Mainka izany hankalazako Anao
Hira  malefaka ‘zay milantolanto
Mampiangola ka injay tena kanto
‘Reo mihetsiketsika mitondra hafaliana
Tiako avokoa raha mbola hoe fitoriana

Maro ireo karazam-peo hikaloana
Samy te hanandratra ny hajanao
Isan’andro tsy mba misy fiatoana
Mahaliana hatrany tsy mankalaho
Ireo feo efatra voarindra ho iray
Mamelombelona ny ati-fanahy
‘Reo hikiaka sy ireo ambanimbany
Dia mba ankasitraho hatrany hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe NAINA
Vangy : 270
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Datatoa
Daty : 01/08/2023 13:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2591