Fanoloran-tena vaovao (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mangetana tsy misy rano,
Tany maina karankaina anie ny ety
Rako-draho-mainty koa ny andro,
Toa tsy misy hazavana mba ho ahy
Na ny taolako aza mihamaina,
Ka ny nofoko hihintsana avokoa
Mihakivy ny fanahy sy saina,
Reraka torovandrovana ny fo

1. Soa fa teo Jesoa
Ilay nitondra ny aretiko, nivesatra ny fahotako
'Reo dian-kapoka nihatra taminy
No nahasitrana, nahafaka heloka ahy

2. Koa inona
No hahasaraka ahy amin'ireo fitiavanao Jesoa
Loza ve sa fanenjeha-mafy koa,
Fahantrana, ady be manjo

Koa havaoziko eto anio ny voady
Fanoloran-tena vaovao ho Anao
Na dia mafy be tokoa ny ady
Tsy hiala na hisaraka Aminao
Fifaliako ny eo akaikinao
Hionona aho hitoetra eo Aminao

Koa havaoziko eto anio ny voady
Fanoloran-tena vaovao ho Anao
Na dia mafy be tokoa ny ady
Tsy hiala na hisaraka Aminao
Tehirizo ireo tsy ho ketraka
Tahionao mba tsy ho reraka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 349
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 02/06/2025 16:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0346