Zava-tsoa re ny aty (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
He! zava-tsoa no re aty,
Tanteraka tao kalvary
Ny vonjy ho fiainana,
Tsy faly va ny olony?


Fiv
Jesosy dia natao ho sorona
Hanafaka ny olombelona;
He ho antsika ny mandrakizay
Fiainan-dapa soan'ny Ray

2
Nahoana no mikaroka,
Mitady fanavotana
Amin'ny tsy maharitra,
Kanefa he! tolorana?

3
He! andro soa sy lehibe
No tratranay anio izao;
Rombaho sao ho neninao,
Fa mbola re ny teny hoe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1014