You are here: home > Tononkira > FIFOHAZANA

Manomboka anio re ry Tompo (FIFOHAZANA)

1 Manomboka anio re ry Tompo
Ny tena fitiavako Anao.
Hanaraka Anao sy hanompo,
Anio sy ho mandrakizay.

2 Ny lanitra ery mba tazano,
Ho lovako mandrakizay
Tariho izahay sy tantano,
Anio sy ho mandrakizay!

3 Jesosy no ilay kapiteny,
Indreto ny miaramilanao,
Ka aoka Ianao mba hiteny,
Anio sy ho mTsiky dia ampyandrakizay

Fiv Tantano izahy fa tanora,
Mitady hanary ny soa,
Ka na isan'andro, na isan'ora
Tantano ho Anao tokoa

4 Eto an-tany dia be fahavalo
Sy maro mpisompatra koa;
Mijoroa ho mpandresy hatrany
Miambena fandrao dia ho voa.

Reheto mihitsy satana,
Reheto ka ataovy mafana;
Ny Fanahy Masina koa anie
Hanampy antsika re

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FIFOHAZANA
Mpamaky : 910
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 22/04/2016 01:24:01
ID : 8461

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo