Ny vavako (feon'anjomara mahajanga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny vavako Tompo mba henoySatria mafy ny fiainana ety
He mitalaho ity zanakao!
'Zay trotraka, kivy sy reraka
Refrain:
Fahoriana sesilany
Ny fianako ety an-tany Tompo ô!
Efa te hody any Aminao aho
Avia faingàna Ianao
Inoako fa Ianao efa niaina
Tety an-tany tahaka ahy
Eny naharesy tokoa Ianao
Endrey 'ty 'zaho tsy tahaka Anao!
Refrain...
Ny tany efa simba sy lao
Tsy misy zava-tsoa intsony
Ny olona miharatsy hatrany
Fantatro fa ho avy Ianao
Refrain ...
NY VAVAKO
Feon'Anjomara Mahajanga; Album Vol.01
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : feon'anjomara mahajangaVangy : 53
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : EliseeR
Daty : 27/11/2025 07:18
