Voady (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 01 :

Tomany fa ranomasom-pifaliana
Eto anilanao ihany aho ry tiana
Tahaky ny hoe mora tantaraina an-kira
Mafy ny sedra tanaty mangina

Fa indro mpandresy tsika, ry malala
Ndeha hivoady eny ambony alitara
Ao izay ianareo mbola be karakara
Ataovy f'andrasako eto ihany na tara aza

Ianao valim-bavaka ho anah
Efa voasoratra izay vao niantomboka
Ela nitadiavana ny andefi-mandry aho
Ianao kay ilay silam-panahy tsy nampoiziko

Dia tsy tsara hono aho raha irery ka
Nangalan'i Jehovah ny taolako iray
Dia inty aho handao ray sy reny malala
Hivoady ny hitia anao mandrakizay

Refr :

N6 foko natolotro tsy nisy fisalasalàna
Ianao no safidiko anio sy mandrakizay
Anio anao aho, ianao koa ho ahy
Safidiko sy anjarako avy amin'ny Ray
Anao aho, anio ary ho mandrakizay
Ho vadinao, ny roa no lasa ho iray

Couplet 02 :

Hanaja anao mandrakizay aho
Dia hitia anao amin'ny foko rehetra
Hanome anao izay mba milay aho
Ho tsara fanahy sady koa tsara toetra

Miara-miary dia miara-tafita
Mifampitantana dia mifanarina
Ho porofo ho an'izay zanatsika
Hoe hay mbola misy ny fitiavana marina

Dia Izao tontolo izao mora misaraka
Mora leo sady mora mifampirafy
isika mivady tsy ohatr'azy fa miavaka
Hiaraka hitsena ny Tompo eny @rahon'ny lanitra

Ny volana ho alaiko raha takatro
Ianao Ilay Anaovako hatr@izay tsy aiko
Eto imason'ny Ray sy ny Zanaka
Vadiko ianao dia hamoizako ny aiko

Couplet 3 :

Indro vita ny voady natao t@Tompo
Eo imason'ny fianakaviana roa tonta
Ho avy ny fiainana kely tsotsotra
Fa mampanantena ah ho antsika hilofo

Dia izao, ho ataontsika volan-tantely
Isan'andro na mbola tsy mpanefoefo
Ny lasa rehetra aleo ho any efa very
Fa dingana vaovao ny manomboka eto

Feno ny foko malala
Tsy mbola nitia ohatr'izany in-dray
Za ve no nisoratra ara-dalàna ?
Ilay niala pà fanambadiana hatrizay...

Fantako f'efa anjara e
Lamban'akoho izay no fetra
Tapitra hatreo ny tantara e
Vita ny zava-drehetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fiorenantsoaaa
Daty : 18/03/2026 07:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0278