Maizim-bolana (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mety vita foana ny ady, hanao lava alina fa hitady
Hanandratra avo an'ilay anarana nolovaina avy @dada
Ny nofinofy tratra soir fa, ilay maraina mbola ho avy
Tsisy kabary, miari-tory aho mandram-piandry

Be ny miandrandra antsika ho lavo
Fa tsara tantana satria manana ny avo, niakatra avo ilay tanavo
Mandany andro, mianatra, miasa, miazakazaka
Zandry, mbola ho sambatra, hidom-bera ambony latabatra

Ny fahatanorana tiako, tsy nijanonako ela
Niha-lehibe alohan'ny fotoana ny nigga, tsisy mahamenatra
Dia tiako omena ny vady aman-janako izay tsy teny an-tanako hatrizay
Hanapahako ny tanan-kavanako

Be ny akama mba niavanako dia avy eo lasa niavonako
Satria be loatra ny tsatok'antsy ao an-damosina
Mpanota mendrika helo aho fa voavela izay nifonako
Ambany lanitra aho mandohalika dia miosona

Ny fery mbola kobo na manolatra
Za ilay zandry kely saika very fa navotan'ny asa soratra
Mahatonga ny ambom-poko bobaka
Ghetto youth anaty lobaka, miezaka dia ny saina no bokon'ozatra

Ranomaso ambonin'ny ondako mihatra aman'aina
Lehilahy ny tena tsy hitaraina, tsisy tantaraina
Kitankintana rehefa maneno ny kirintsana Hanamafisana ny kitrana, manintsana fa hihaza kintana

Eto hono aho dia tsy hitany, izay mangina volamena
Ny fahatsoram-po koa tsy hoe kilema
Nanamafy ny saiko reny, miloloa lanitra dia manaiky lena
Nigga goavana sanatria ny hoe manaiky mihena

Manaiky mihaino, tsy tonga lafatra, manetry tena
Fa na dia izany marary saina aho f'aza emmerdena
Nofo malemy, ny ato an-tsaiko andro maloka
Anaty nofiko ny antsy pikako eny an-tendan'ny fahavaloko

Na izany aza navaloko, ny haizina ato anatiko
Ezahiko tsy ho velariko, satria fantako hoe tsy ho tantiko
Raha toa izaho hiverin-dalana indray, tsy hoe za tsara fanahy
Fa rehefa mirongatra, na za aza mahatahotra anah
Aleoko miala pà

Refrain :

Dia toa talanjona mandinika maizim-bolana
Miandrandra fahazavana
Fa tiako loatra angamba ny alina, izay ilay olana

Couplet 2 :

Tsy te ho faty tsisy mpitondra aho, na dia ankavitsina
Misy zava-manan-danja eo @life tsy hay vidiana
Dia nekeko, ny love mankarary boto
Ny ratrako sitraniko @alikaola iray tavoahangy bota

Ohatry ny vao omaly aho ilay boay kely,
Ohatry ny vao omaly ilay za sy neny manantena, mitanisa raozery
Ny tsiky ndraindray fosika dia ny kata miha-vrai
Ny fahombiazana efa koboko tiako anaovako medley

Dia mazàna mirevy irery, aleo ho anah irery izay hevitro
Idio anaty efitra aho sao dia eno ny redirediko
Inspiraka be setroka, noheveriko fa naleviko
Fa tsy afaka ohatry ny hoe rehefa manavy malaky mievoka yo

Lava ny hafatra, ny fiainana lanja miakatra
Aza miataka fa ho tataka ny score tsy ho ela
Zao anaty akata, ilay kata na kapa ho tafa ho pata dia izay ilay sata ilay tantana mila forcena vao borkena

Ity vazo ity natao ho an'izay mangilan-tsofina
Miosona, dia kopy hoe ny liona tsy mitakosona
Amin'ny vorona tsisy atokona afa-tsy mifosa fotsiny
Kofona, tsisy fotony, ny fiovana mila ifotony boy

Tsy hifananarana fa samy manao izay mety
Ny fiainana fianarana, dia ndao na mivoaka sempotra
Kozio mama, ho avy ilay fiesta
Ho atao manetriketrika, ho tazana eny @fiteny sy ny fihetsika nigga

Mbola hitsangana aho raha lavo aza malaky mioraka
Ny proj ny ah tsiambaratelo anah sy ny maizim-bolako
Efa fahazarana ny départ à zero
Nigga tsy mahatahotra ny ho ambany satria beara intello

Tsy maintsy ho vitako izay natomboko, ho fenoina trondro ny doboko
Ho an'ilay foko midobodoboka mandrapa lasa vovoka
Tsarovy, mbola ho pims raha gisitra
Androany aloha za tratra alina ohatran'dry zandry soir shift dia

Refrain :

Toa talanjona aho mandinika maizim-bolana
Mankafy anle mandihy ambanin'ny orana, negrosapiens tsy afaka fatorana
Peace
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 140
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Rajo1906
Daty : 20/03/2024 08:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744