Teny Mamy Fotsiny (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azafady anie akia, miala tsiny raha hitantara fiainana
Tsy misy hitarainana matoa aho makaty
Tsy haiko efa izay angamba ny anjarako
Tamin'ny maraina nandao ahy ny vadiko
Dia noentiny niaraka aminy any ny zanako
Miasa tanana aho, mpitaona biriky
Mihatra aman'aina nefa Rafotsy tsy te ahalala dia mandatsa rehefa vola no tsy misy
Marikoriko azy, maloto ohatran'ny fako aho indraindray
Tretraka loatra dia mba mi-consomme dimanjato aho indraindray
Fitiavanay lasa miha-fohy isakin'ny metarina
Efa ela izahay no tsy nanao na ny mifanoroka aza tsy mety aminy intsony
Marary ny foko dia miasa ny saiko
Lasa izy, efa notadiaviny dada vaovao ilay menaky ny aiko
Dia haiko indry hoe miasa matoa mijorojoro ety
Izaho koa tsy angataka akory mba misy vola kely aty
Omeko andrie daholo dia andao mba hiodina any
Tsy passage fa mba hividy teny mamy kely fotsiny aho (x2)
Fa marary aho io, dia marary aho io
Tsy passage fa mba hividy teny mamy kely fotsiny aho


Maizina ny andro, angamba io tamin'ny 12
Dia hoy ny tsain hoe tsy misy tsiny fa ny alahelontsika sy ianao mitovy
Ny olona mifosa izaho mahatsiaro menatra
Ny zanako mbola kely dia izaho voatery mivarotra ny tenako
Ny adiko efa ho lava
Isanandro ny maha vehivavy ahy mila ho rovitra, mbola misy ra kely ao angamba
Vehivavy ny tena fa ny fiainana miha sarotra
Ilay vatako sarobidy isan-kariva lasa hiadina varotra
Fahafinaretana ara-nofo tsy fantako akory
Vetavetain'ny bandy aho, ataoko izay maha tonga azy dia lasa aho mody
Rehefa marary aho tsy mba misy mitady fanafody
Tsy ataoko hitan-janako fa mitomany aho alohan'ny hatory
Dia malahelo aho fa hafeniko anaty vazivazy
Ny zanako ny nanomezako ny ainy ihany no hamelomako azy
Andao raha hiodina ary, ianao no omeko vola fa
Miangavy aza kitihana aho fa mba omeo teny mamy kely fotsiny (x2)
Fa marary aho io (x3)

Hoy i Tazy hoe tsy passage fa mba hividy teny mamy kely fotsiny aho
Dia hoy ny Tsain hoe miangavy aza kitihana aho fa mba omeo teny mamy kely fotsiny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 127
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 08/04/2024 22:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727