Tia anao aho (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako rehefa izaho no mahatonga anao mitsiky
Dia tiako rehefa izaho no itanao rehefa mikipy
Ny fiainana na mbola sarotra aza
Ianao mahafantatra ny rehetra momba ahy, anilanao aho tsy misaron-tava
Mafy loha fa te ho tsotra aminao aho
Tia sakafo, te hiara-bota aminao
Amin'ny roa maraina mba te hiaraka hitsotsotra aminao aho
Ny canapé malalaka fa te hiampofo anao aho
Ianao mahalala hoe malalako
Dia tsy hoe bracelet fotsiny fa sombim-pitiavanao no ety an-tanako
Olon-tiako sady namako, sady anjeliko no anjarako
Tantaraiko amin'ny akamako sy ny mamako
Dia saro-piaro aho fa tsy hamehifehy mihitsy
Ohatry ny vao omaly ilay oroka voaloha, tamin'izany mbola be be nify
Taona maro izay no nolalovana
"Fitiavana" no anaran'ny tokontany ilalaovana

Ref:
Tia anao aho izay tsarovy, tsy hoe hiserana fa aina no fetra
Tia anao aho dia tsy hanova ireo izay voady nifanomezana,
Malalanao aho na dia tsy isan'andro aza ny fety
Tia anao aho izay tsarovy,
Ampahafantaro ny tontolo hoe manan-tompo ianao na dia tsy misy peratra aza
Tia anao aho dia tsy hiova

Dia rehefa maro ny onjam-piainana mamely
Tsy misy kabary, aza adino: IANAO MAHERY !!!
Dia ny olana tsy zakanao avia atero ety an-tratrako
Vao may aho tia anao satria tsy an-tery
Noho ianao aho te ho mendrika, na very (aza) indraindray
Raha sitrakao ireo sangisangintsika fahiny ho averina indray
Tsy hiseoseo fa mba hifaly mangina
Tsy misy mahamaika satria koa hono izay mahandry ihany no vadin'andriana
Fahazavana ianao, mangirana
Hiaraka na mamy na mangidy, indraindray koa misy makirana
Fa, manjaka am-poko dia tiako ihany
Silam-panahy no iantsoako anao dia sanatria ny hiantso anao hoe piso aho (*NB: Pour comprendre cette phrase, écoutez "Epistolier - Dia hoy izy hoe")
Kely no omeko, ny fo manolotra no mameno
Izaho raha mbola misy fofon'aina, ianao tsy hiady irery izany
Aingam-panahy dia namoronako ny hirahirako
Mifoha aho dia mahatsiaro anao dia miramirana

Ref:
Tia anao aho izay tsarovy, tsy hoe hiserana fa aina no fetra
Tia anao aho dia tsy hanova ireo izay voady nifanomezana,
Malalanao aho na dia tsy isan'andro aza ny fety
Tia anao aho izay tsarovy,
Ampahafantaro ny tontolo hoe manan-tompo ianao na dia tsy misy peratra aza
Tia anao aho dia tsy hiova
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 7875
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AndyNekena
Daty : 09/12/2019 15:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095