Misaotra anao misy (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay mpanome tsiky ny hafa na dia marary
Ianao ilay taram-pahazavana mandalo
Lehibe aloha loatra satria te hiakatra avy any ambany
Dia sanatria ny andeha anao adalana
Olona kely nefa feno hatsaràna

Ianao ilay tsy mitaraina
Ianao ilay tsy miteny
Dia mody mafy na indraindray ary tsy mahatoky tena
Ianao ilay faly rehefa faly ny hafa
Voatsatok'antsy fa ozy ianao hoe aleo ny lasa omba ny lasa

Tsarovy hoe mbola ho tratranao ra izay tanjona, amirapiratra ianao
Dia na ny kintana aza ho talanjona
Mafy fa miaritra kely sisa namana a
Fandresena efa akaiky, efa hisokatra ilay lalana, aza kivy

Dia aza miova raha tsy hoe mivoatra
Tsy ho very maina izay hery lany, mitsangana, mandehana, dia ampiakaro ambony be ny saoka
Mila olona ohatranao bé dia be ny tany satria ianao manampy ny hafa hitraka
Mba tsy ho resy, hionona, rendrika
Ianao no porofo hoe hafa ihany ny olona mendrika
miavaka ianao
Raha toa miakatra fampanoavana ianao
Ny tantara hitsara hoe tena fahasoavana ianao

Misaotra anao amin'ny anaran'ny olombelona iraimanontolo
Misaotra anao misy

Aza mitsahatra mino, na alina mangina
Mbola ho tratranao ilay nofy tsy ambaranao an'iza n'iza
Indraindray ianao malahelo anaty lavaka mangina
Aza milavo lefona fa ianao miavaka aza adino
Raiso daholo ny fandresena fa efa anao anie io e
Tsisy mafy tsy ho zakanao izany fa ianao anie io e
Mitraka foana fa nateraka ho mpandresy namana
Ny vy kapohina mamay dia andao anefy miadana

Ianao ilay miezaka eny amin'ny lalana e
Mbola hitantara ianao indray andro hoe mafy iny fa tafa ihany ah le
Dia ny fahombiazanao ampiteny ny maona
Mahatoky anao namako, eny amin'ny faratampony eny ny fotoana

Misaotra anao misy
Mpandresy ianao namako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 176
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Davina
Daty : 15/03/2024 17:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725