26 Jona (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandoro tratra feno setroka ny efitra
Ohatran'ny tsy mety raha vao tsy misy marrena
Ilay douze douze rehefa mitaps
Lasa fonja ilay mifoka rehefa avy mikaly
Dia rehefa mifoha maraina indrindra moa isaky ny andeha ikiaps
Mividy fahafatesana, dia efa akaiky ilay homamiadan'ny tratra
Satria lasa maneno ny tratrako isaky ny miaina aho
Ny oditra maina, ny tena mahia, dia ny nify miha mavo
Mikozy hoe te hiala nefa tsy afaka amin'ity molotro may
Ny mpanamboatra sy ny mpivarotra manakarena satria
Ny saiko malemy tsy afaka @ ilay mifidy sigara telo rehefa miatsena
Tsy hoe miseho hendry aho akory fa vavolombelona hoe
Fantako tsara ilay miaina rehefa matory dia ohatran'ny hoe mitrena
Tena fanandevozana nosafidiana, Arizato Roajanto
Misoko miadana makany amin'ny varavara-mbato
Teny amin'ny voalohany dia nifanarahana hoe ny sigara ohatran'ny vady
Rehefa tsy isaraka dia faty no isarahana


Efa nokozina fa namaly hoe samy ho faty ihany
Zaho tsy adala fa hoajanoko io rehefa vonona aho fa tsy poinse aloha raha ny androany
Dia mangatak'andro, ny andro lasa taona , ny taona lasa aretina
Ny tratrako ao izay maimbo raikina feno arafesina
Ny koaka mamely, ny ville maloto nefa tsy misy mietsika
Marefo ny avokavoka, izaho mi-cache bouche ohatran'ny hoe misy peste eih
Kobo hoe mahafaty fa tsy napoizina hoe izao sahady
Ny koa-drà ihany no tsy nataoko ny akotrzay nahazo anah jiaby lesy
Ny aina kely, ny maso mena, ny tena sepotra
Dia matahotra ho anisan'ireo aman'arivon'ny matin'ny setroka
Safidy tsotra na hanajanona sigara sa ho ajanon'ny sigara
Ny fotoana tsy mifametra dia tandremo sao tara, manantena


Afaka afaka
Manontany tena aho hoe maninona io legalise nefa mbola manimba noho ny moly
Fa androany endraso eo pôly tsy iverina any intsony aho
Dia tsy hampanakarena ny indonstrian'ny sigara intsony aho
Ry tavany milliardaire tsy mataho-tody, mamono olona ankolaka
Tsy andevina an'ialahy akory mody akama mpanome tolaka ah
Tamin'izaho ilay niala tsy nisy hoe vonona fa be mokony
Ny sigara milay rehefa mbola tsy marary, saika namono an'ahy ny fofony
Dia izaho akory tsy mananatra na mikozy hoe miala
Fa mikozy fotsiny hoe raha te hiala aza miandry intsony, manana finoana
Ady fa raisina isan'andro andro ray vao lesy (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 137
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 08/04/2024 23:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885