Musk (Epistolier)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tompon-daka
Tsy tia mitata
Mody tsy hita
Nefa manjopiaka
Satria izay mangina volamena
Tazana foana ny plastique
Miakatrakatra ny tosi-dràn'ny nigga, isanandro miha Elon Musk
Tsiky ao aorinan'ny masque
Mihiratra telo ny masoko

Hanangana sera no tactique
Coco mibosy dia drafitra ny ho lasa boss
Izahay mpandefa hafatra mihoatra ny paositra
10 ny poste
Aty tsisy fosika
Hameno ny paosiko homena an-drabofy izay vao nobla efa norma ny parcours hatreto
Just afo kely apitipitiko dia avelako ny rap idonan-tsetroka

Voromahery misidina ambony, tsy midina tompoko
Io koa moa izay dokotra mbola vao miana-midoroka foana no miseho hoe midoboka
Ilay fandresena efa an-tomotra, zahay efa poritra miasa na mody matory
Totohondry miforitra satria tanora mijoro, mandona dia anay ny tontolo
Shut hoe
Mila filaminana dia fanahy iniana tsy hita
Miramirana be te hamingana fa miha tafita
Tsy hifaninana raha mihirahira fa mamita dingana
Tsy asiana limite, mavesatra ny gimmick
Tokana izahay tsy hanao mimique
Ny sera ho apoaka @herin-tsaina, sanatria ny hanao mimi
Avoay ilay martini, ny ekipanay winning
Majika ny rap siga, ny aty lasa Houdini
Hip hop mandramaty lesy,
Bobaka ny mpanofa midongy ho tompon'ny lakile
Very ohatry ny ampahafolon'lah nomena an'i pastera
Ny real vitsy an'isa ohatry ny tasspé cachetée
Tonga ny kapiteny
Mandrora sasin-teny
Eraky ny quartier
Ilay radio carte eny
Mipoaka mafy be
Antsoy hoe tard-pé
Izaho niezaka ry ise!

Ka ahoana ny biff no omeko bitch?
Hi-accoste sera makota fa kofa lacoste
Eraky ny tier-quar hitazana short
Afaka mi-pote ah fa aleoko mi-pote-ca
Io samy mafoaka fa lany fotoana ialahy!
Ny akama lasa, alefao ny cotisaka ho backeko
Dona kely vera whisky, tatasiaka ohatry ny hoe lasa adolantsento

Ny fianarana norantoviko, tsy mora fa ny fanantenako tsy niova loko
Tsy hifaninana @opa aloha, satria ny tanjona tsy ho lasa jiolahim-boto
Fa ho lasa Jack Ma, ho lasa Bezos
Ho lasa magma, mafana be loatra
Efa 4x4 mbola be nos
Ny bandy samy tafa, ialahy avy eo nofa
Kay lesy
Tsy ohatry ny olona hoe vao mba mangirana dia manambany an'ilay fakàna bus
Ny mpanam-bola mody mifampinana ohatr'i kala fanja sy ny cannabis
Akanomana ny fanadinana fa kolikoly aveo lah lasa gisitra
Isaorana ny Tompo aloha izay fanambinana izahay rap be hatrany am-paradisa

Aty tsisy antsy pika, na jog na dog na bob na mbalana bodika
Tsy hoe tsy matsiro fa be mpanao loatra, aleo indray mampidera soa atao na baoritra
Hameno ny paosiko omena an-drabofy izay vao nobla, efa norma ny parcours hatreto
Nosoratana ny epistily, dia avelako ny rap idonan-tsetroka

Zahay malala-tanana eny an-tanàna
Mazàna mazana ny miaka-piakarana
Ilay lalana malama fa manambatra ny ananana ny akama
Miara-miazakazaka manoratra tantara tsara
Tsy hialangalana na koa ilay afaka tambazana
Fa izahay na valaka aza hanaraka ilay fahombiazana
Mamarana ny omaly ho fahasambarana
Aleo aloha andramana sady anandratana an'ilay Madagasikara
Izahay handeha hanakatra an'ireo kintana amam-bolana
Tsy andevoizin'olona @vola isam-bolana
Hiomana hamoha fatorana, fombany io raha manorana
Tsisy atao mahatorana, tsy olana
Hafa ihany ilay mandroso
Izahay manompo dia matoky
Soraty izay kasaina dia ho azo izay ilay kozy ao anaty Habakkuk
Barea manana nofy
Avy hatrany dia manoto ehhh
Tazana mangarangarana ny nanary an-dalana
Izahay naka bahana ahafahana hanabanaka varavarana
Ny vavako efa tsara fahana
Dealer ana rima voaheloka ah
Rano manonja mandifitra
Mody mangina sy mihaja ny thug satria sekoly OMERTA
Antsoy ah hoe epist

Aleoko tsy anaty lisitry ny top satria ilay niveau lasa latsaka loatra
Tsy te ho voalohany @samy lost
Fuck ny game, aleoko mi-ghost
Rehefa manoratra ah kopy izay kopy d'efa nobla
Efa norma ilay parcours hatreto
Mbola lava raha ilay lalana ho refesiko
Hametraka tantara ohatran-drapeto
Te ho tafa ohatr'i Elon Musk
Aorinan'ny masque miatrika
Mamaky boky aho satria iny must
Mandrapà aloha tsy sasatra miaritra
Tsy asiana kozy fa aleo ny acte ho vavolombelona
Na bobaka ny sedra mbola eto
Ny mpiondana ahy aleo hikiff kiff, kopy izy hoe ty faingo fa tsy mbola teboka !!
--------
Rohy:
Hevitra
Lougan ( 06/11/2023 12:43)
Tiko sady manome lesona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Epistolier
Vangy : 376
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Lougan
Daty : 06/11/2023 12:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728