Ry Fanahy Masina (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Fanahy Masina ô, avia ianao
Miasà ato amponay izao,
Handrava ny aizina ao.
Ry Fanahy Masina ô, havaozy ny fonay
Aoka ny feonao ihany
No hitaridalana

Mila Anao izahay izao ry Mpananatra
hendry ô
Mila Anao izahay izao ry Mpampianatra
marina ô

Miandrandra Anao izahay izao,
mba hanazava izay rehetra atao
Ka Ianao anie no hanolotsaina anay olonao

Mitoera aty anatin'ny fonay
Ka manjaka ao ry Fanahy Masina ô

Miandrandra Anao izahay izao,
mba hanazava izay rehetra atao
Ka Ianao anie no hanolotsaina anay olonao

2/ Aoka ny herinao no handrakotra anay
Mba tsy ho lavon'ilay ratsy izahay
Ka hijoro vavolombelonao ry Jesosy Tomponay

Ka ny asanao izay ataonay,
Mba hamirampiratan'ny voninahitrao ry Jesosy ô

Aoka ny herinao no handrakotra anay
Mba tsy ho lavon'ilay ratsy izahay
Ka hijoro vavolombelonao ry Jesosy Tomponay

3/ Ry Fanahy Masina ô, midina ianao
ny varavaran'ny fonay indro mivoha izao.

A/C: Fetra R.
(c): Chorale Sedera Ambalavato
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Sedera Ambalavato
Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : SederaAmbalavato
Daty : 21/05/2026 11:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.075