Noho ny helokao (Chorale Sedera Ambalavato)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noho ny HelokaoIlay Mpamonjy, no mandondona ao am-ponao anio
Ilay Mesia, Zanak'Andriamanitra
Nanetry tena, ka nidina ho ambany kely tety
Satria tsy mba foiny ianao
Fa sarobidy loatra ianao k'izany no antony
Nanavotany indray anao
Fa sarobidy loatra ianao k'izany no antony
Nanolorany ny zanany
Fa raha ny heloko rehetra no indro adininy ahy
Ho zakako va re, ny hanatrika anao
Refrain:
Fa maty Jeso, nisolo ny heloko
Ny fahotako, no nanamelohana azy e!
Ka ory ny fanahiko satria tokoa ianao,
Nitondra ny hazo fijaliana
Fa velona indray, resy ny fasana
'Lay fahavalo, dia sina foana teo
K'atolotro ho anao tokoa ny tenako Jesô
Ho onitr'ireo heloka vitako
A/C: Vahatra (c) Rina Rnt
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Chorale Sedera AmbalavatoVangy : 136
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : todinirinaelie
Daty : 10/07/2025 17:55
