Tantano (BITSIKA Mandroseza)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raiko ô! Tsimbino ahoTantano tsy hivily làlana
Harovy amin’ny fankam-panahy
Tsimbino tsy ho very an-dàlana
F’Ianao no ilay fahendrena
Mankahery ireo ory sy onena
Miandry anao izao tontolo izao
Mangetaheta famonjena avy aminao
Hiantsako ny Anaranao
Hobiako ny voninahitrao
Hifaliako ny fiavianao
Mahatoky anao izao rehetra izao
F’ambony ny voninahitrao
Tsy hita fetra ny haja anananao
Tsilovinao izao tontolo izao
Avotanao ireo miantso ny anaranao
Tantano hanara-dia Anao
Inty zanakao sady mpanomponao
Tsimbino ireto olonao
Tantano inty zanakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : BITSIKA MandrosezaVangy : 173
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raveloson195
Daty : 05/05/2024 12:14