INTY AHO (BIDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ateriko eto anatrehanao,
Ny tenako manontolo hafoiko ho Anao
Tsy misy miafina, na lavitra ahy ianao
Fa fo feno fitiavana, no atolotro Anao

2- Asandratro isan’andro Ianao
‘zay rehetra hatao, ankinoko Aminao
Ianao irery ihany no safidy soa tokoa
Ekeko dieny ety an-tany, hatrany an-danitra any

Eny tokiko Ianao,
Fiv : Na tsy mendrika aza aho, manana Anao
Afaka ny ho tia, sy hanaraka Anao
Inty aho JESOA, ho Anao mandrakizay (x3)

3-Mamiko Ianao (JESOA),
Maro ireo mpanota no vonjenao
Tsy hiandry ela intsony aho, vonona ho Anao ka iraho
Tompo tsara indrindra Ianao, deraiko Ianao

BIDA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BIDA
Vangy : 1449
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : b200677
Daty : 24/01/2018 14:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726