SAO ITY (BIDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                            
    
1.         Aza mieritreritra ny ampitso
      Fa ny anio tsy hay na ho tafita anie
      Ny andro, ny fotoana miroso hatrany
      Zao no hany ataovy, miambena ihany (2)


2.     Mahatokisa ary, aza misalasala
         Ny ratsy tsy hanosika, ho amin’ny tsara
            Fa Izy no làlana, tsy voasakana
            Ao no tena fiainana, feno hasambarana (2)

Fiv: Sao ity no toriteny farany
K’aza avela handalo
Manome hafanana, handresy lavitra
Ny fonao ‘zay tsy mino Azy
Tsy ho toy ny teo aloha, rehefa tia anao Jesoa
Ndao dia ho tonga, mpianany
(Na na na na  na!)

3.    Raha ho lavinao, ny antsony
           Satria maika lava ianao, hitady ny androany
           Simban’ny adin-tsaina izay tsy mampandry
       Mba ekeo ny ambarany, ho enti-miady (2)

            
     BIDA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BIDA
Vangy : 1024
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : b200677
Daty : 24/01/2018 14:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9834