BIDA

Nampiditra b200677
23/01/2018 14:26
Hiran'i BIDA 10 Jereo eto
Vangy : 921
Mpankafy : 0 Ankafizo
RANDRIANANTOANDRO N.Serge no tena anarako. Ny solon'anarana itondrako ny talentako dia i "BIDA", ary ny anaran'ny Album 1 voalohany navoakako dia: "AKAIKINAO NO IZY".
Efa mpamoron-kira sy mpihira nanomboka ny taona 1997 ny tenako ary hira evanjelika no nanavanana hatramin'izay noho ny hiran'izao tontolo izao satria efa samy nataoko avokoa.
Tao anatin'ny fikambanana iray atao hoe: Fivondronan'ny Eokaristikan'ny Tanora (FET) no nanombohan'ny famoronana mandrak'ankehitriny.
Maro ny tanora sy fikambanana efa nihira ny sanganasako toy ny : Tanora Mpanentana Tsimialonjafy (TMT); PITIK'AFO.
Izany hoe: ny hira ato anatin'ny Album nataoko sy mbola ho ataoko dia efa nisy ampahany nohirain'izy ireo, ary ny ampahany kosa mbola noforonina taty aoriana ka niarahana tamin'ny Groupe NY TANDAPA izay nanampy teo amin'ny fanaingona na ny "Coeur"
Koa mbola vonona aho hanohy ny talenta nomen'Andriamanitra ahy, ary tiako horen'izao tontolo izao niantso sy ny hafatra tian'Andriamanitra ho zaraina hoan'ny olon-drehetra.
Misaotra antsika naharitra namaky ary mirary antsika hankafy ny sanganasako.

Hevitra momba an'i BIDA

b200677 (24/01/2018 15:02)
Fa maninona kay raha vao miditra @ le hoe: Hampiditra hira dia ilay fampidirana tonon-kira foana no mivoaka dia tsy mety tafiditra mitsy le hira azafady.
Msaotra indrindra hoan'izay hamaly

Hiran'i BIDA (10)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0644