AZA MANAHY (BIDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Efa reseny avokoa, ny ratsy izay tsy mahasoa
Hanaovanao ny sitrapony Ray
Ka na hiatrika ny mafy, tsy ijaly tsy hiafy
Na inona ny zavatra hidona
Na rivodoza tsy haoana, hirosoan-tsika foana foana
Izay ilay baiko, nomena ahy ka tsy maintsy hefaiko

Eny tsapako tokoa, izany any an-danitra any
Fiv (2): Fifaliana anie, akaikin’ilay mpanjaka
Sy I Jesoa zanak’Andriamanitra

2- Manao lalana ho ahy, dia tsy ho fanina mitsy aho
Fa tokana, raha te ho voavonjy
Iza moa no antenaina, ny rehetra anie mandala e!
Misy farany, ny eto an-tany e!
Fahafinaretana izany, ny hafaliana sy tomany
Ho nofy izany, ka tsy mba hisy any am-parany any

Eny tsapako tokoa, izany any an-danitra any
Fiv (2): Ka fifaliana anie, No akaikin’ilay mpanjaka
Sy I Jesoa zanak’Andriamanitra

Mahareta ary amin’ny finoana e!
Dia tsy ho very na oviana na oviana e!
Ny Tompo tsy hitazana, raha sendra fahavalo
Aza manahy, Izy hiaro
Etsy raisiko izato tanànao, aza miondrika,
Fa mitrakà
Hiroso isika, dia mitsangana,
Ka mihira hoe: aleloia; O o o! ei ei ia! (2)

BIDA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BIDA
Vangy : 1059
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : b200677
Daty : 24/01/2018 14:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871