AKAIKINAO NO IZY (BIDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Hatramin’izay aho, nitady anao
Namonjy ireo toerana maro, mety ahitanana anao
Na ho lavitra aza, tsy nataoko hampanahy
Mangetaheta Anao, ry Jesoa ny fanahy
Reo rendrarendra sy ditrako, tsapako fa mandalo
Niloka, nifoka hadinoiko, efa nilaozako any izany
Ref: Ny androko, manontolo
No efa, nohafoiko ho anao
Tsy mila fahagagana intsony aho, fa resinao
Fantatrao tokoa mantsy, na dia iray minitra aza
Dia sarotra amiko ny tsy hivily
Akaikinao Tompo ô! Zay no izy

2. Ankehitriny aho, misaina ny atao
F’ilay devoly mpamitaka antsika, tsy mba ho tia ahy
Ka na tambazana vola hoe: hiadana, zaho tsy mila
F’Izy Tompo ihany dia ampy, ahasambatra ahy
Zay mievi-tena fa vitany, ny handresy ireo fahavalo
Ho sasa-poana satria tsy mba manana an‘ilay Jesoa mpiaro

Deraina fa lehibe ny antsika
Fa mandrakizay ny famindra-pony
Mpanjaka mahery
Sady tompon’ny hery
Izy no mpahary
Azy ny zava-boahary
Misaotra Jesoa o! o!, misaotra betsaka, (tiko Ianao ei! Ei! ia)
Efa nampahalalanao ny marina, (faly aho ei! ei! ia)
Nampandrenesinao ny sofiko o! o! (tsara enao ei! ei! ia)
Nampahiratinao ny masoko, ka …
Ref: Ny androko, manontolo
No efa, nohafoiko ho anao
Tsy mila fahagagana intsony aho, fa resinao
Fantatrao tokoa mantsy, na dia iray minitra aza
Dia sarotra amiko ny tsy hivily
Akaikinao Tompo ô! Zay no izy
BIDA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BIDA
Vangy : 890
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : b200677
Daty : 24/01/2018 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4357