Tsara Andriamanitra (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Zaho manambara aminao fa tsara Andriamanitra eh (Oh Oh, Tsara Izy eh)
‘Zaho rehefa manompo Azy mahatsiaro finaritra eh (Oh Oh, Tsara Izy eh)

‘Zaho manambara fa ‘lay Andriamanitra
Miasa amin’ny fiainako sy fitarainako ‘zaho tsy manahy
Manana hevitra hiheverana ahy, hitondra fiadanana
Ny fitiavaNy tsy ahafoy, tsy ahasaraka ahy
Ary tsy ho mpanompo intsony no hiantsoany ahy
Fa ho sakaizaNy, malalaNy am-panahy
Ary mbola omeNy ahy, ‘lay fiainana any ankoatra
Hilazako fa ‘lay Tompoko dia tsara loatra

Tsara loatra, tsisy azo hoarina Aminy
Fa lehibe ny Andriamanitra tompoiko eh
Fa na dia mpanota aza aho, dia namindraNy fo
NofafaNy avokoa ‘reo otako teo aloha
Izy tsy mba manavaka, mpamaly vavaka, ka hifikirako
Izy tsy mba manavaka, mpamaly vavaka, ka hifikirako

‘Zaho manambara fa ‘lay Andriamanitra
Miasa amin’ny fiainako sy fitarainako ‘zaho tsy manahy
Manana hevitra hiheverana ahy, hitondra fiadanana
Ny fitiavaNy tsy ahafoy, tsy ahasaraka ahy
Ary tsy ho mpanompo intsony no hiantsoany ahy
Fa ho sakaizaNy, malalaNy am-panahy
Ary mbola omeNy ahy, ‘lay fiainana any ankoatra
Hilazako fa ‘lay Tompoko dia tsara loatra

‘Zaho manambara aminao fa tsara Andriamanitra eh (Oh Oh, Tsara Izy eh)
‘Zaho rehefa manompo Azy mahatsiaro finaritra eh (Oh Oh, Tsara Izy eh)
‘Zaho manambara aminao fa tsara Andriamanitra eh (Oh Oh, Tsara Izy eh)
‘Zaho rehefa manompo Azy mahatsiaro finaritra eh (Oh Oh, Tsara Izy eh)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nathakely08
Daty : 15/05/2026 15:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0976