Saintsaino (Antokom-pihira Vetson'i Siona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Saintsaino sy diniho hoe tsy hisy intsony ny adyEritrereto hoe ho foana ny fifandrafesana
Raha misinda, miravona ny olana mianjady
Ka hiakan'aravoana no ifandrenesana
Tsy hisy intsony ny hoe jaly
Tsy ho re intsony izay tomany
Dia havitrika isika handroso
Ary hitempo ny fo falifaly
Ref. Tsy hoe nofinofy na hoe rediredy
Na koa adalana mampisomebiseby
Fa fanantenana manainga hampitraka
Arahim-bavaka hatrany tsy hampiambakavaka
II. Tombano hoe very hanjavona raherisetra
Vinavinao hoe tsy misy rafitsitokotokoana
Raha hevitra iray no iraisan'ny rehetra
Ka hira fiderana no ifampilantoana
Tsy hisy intsony ny mosary
Tsy hisy ny ambony sy ny ambany
Ny fitiavam-bavaka hivoatra hatrany
Ary hitempo ny fo falifaly
Ref ...
Rotidrotiky ny alahelo ity tany izay tokony hilamina
Ny ranomaso, ny tebiteby, ny fahoriana, arahin-tsento
Ho potika io, ho rava mihitsy raha izao no mitohy
III. Hevero hoe tsy eo intsony izany disadisa
Fakafakao hoe ho rava avokoa ny fifamaliana
Raha toe-tsaina madio no ho enti-mamisavisa
Ka ny alahelo sy ny toloko, hisolo hafaliana
Tsy hisy intsony ny hirifiry
Tsy ho tsapa intsony ny hoe marary
Dia handry fahalemana ny tany
Ary hitempo ny fo falifaly
Ref ...
© Vetson'i Siona 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i SionaVangy : 783
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 24/09/2020 07:08