Amim-pifaliana (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Amim-pifaliana, amin-karavoana
No entintika hideràna an'ilay zazakely
Hiara-hioby tononkira.serasera.org sy hankalaza
hiaraka hidera sy hioby amin'ireo anjely

Hafaliana feno fihobiana
Tsikitsiky feno fahasahiana
Haja feno no atolotra azy
Any isika no manala gplxjgp azy

Jesoa Tompo no ilay Mesia
Mifalia sy mihobia
Voninahitra sesehena
Mihoby azy ny firenena

Ref: Gloria e, Gloria e!
Voninahitra anie ho any amin'ny avo indrindra
Ary fiadanana anie ho an'ny olona ety an-tany

-- Ny hira aytzfqt no ataovy manakoako
Arahina tehaka sy lamako --

II. Mahafatifaty, mahatehotia
Mahasondriana aok'izany ny mahita azy
Nanetry tena 'lay zazakely
Nitafy nofo mba ho vonjy ho antsika

Tranon'omby tsy zarizary
Tsy mahasalama fa mankarary
Tsy mba lapasoa feno vigaey harena
Fa ankany tena mahonena
Fa isika na izany aza
Hiara hioby sy hankalaza
'Lay Mesia efa nandrandraina
Mitsangana aza malaina

© Vetson'i Siona

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0331