Ny fanjakan'ny lanitra (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Tsy ireo izay manao hoe Tompoko Tompo
No handray ny fanjakanao ry Ray
Na hoe niasa be tokoa sy nanompo
Ka nahavita be toy izao sy izao
Fa fitiavana tsy mila takalo
An-tsitrapo no ilainy anananao
Raha fatra-paniry ny zava-panahy
Dia ny hampandroso ny tempoly atao

Vehivavy :
Izaho kosa anie ka mpanomponao e
Izaho kosa anie mpivavaka be e
Tokony izaho mihitsy aloha vao ny hafa e
Satria izaho no tena mendrika indrindra

Lehilahy :
Efa impiry Aho no miteny izao e
Ianareo milaza f’efa mijoro tsara e
Mitandrema sao ho lavo eo ianareo
Izao tontolo izao lazaina tsy mino e
No mbola ho tonga mialohanareo
Izay te ho lohany ho farany avy eo

Refrain :
Manombok’izao (izao)
Ny fivavakay dia hiainanay tokoa
Ka tsy ho fomba (fomba)
Na fahazarana raha manompo ny Tsitoha
Fa hanetry tena (tokoa)
Sy hifankatia, fa izay no sitrakao
Dia hitandrina sy hanaja koa ireo lalàna sy fitsipikao
Ireny rehetra ireny anie mba ho voninahitrao
Dia ho rakitra soa, ho mendrika ilay
Paradisa, fiainam-baovao

2/
Raha voavaly eto an-tany daholo
Ny asa soa rehetra nataonao
Ka fantatry ny tananao ankavia
Ny nataon’ny tananao ankavanana
Tsy efa voarainao avokoa ve
Ireo valisoa mendrika ho anao
Dia inona indray no horaisinao
Rahatrizay ho any an-danitra ianao

Vehivavy :
Izaho kosa anie ka be fiantrana e
Izaho kosa nahafoy be dia be e
Tokony izaho mihitsy aloha vao ny hafa e
Satria izaho no tena mendrika indrindra

Lehilahy :
Lazaiko aminareo marina tokoa hoe
Mba miantrà mangingina ianareo e
Nomena maimaimpoana ka mizarà e
Fa Jesoa Tompo no hamaly izany e
Fa fantany izay tokony ho anareo
Na tsy mangataka aza dia omeny e

Refrain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 217
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 08/11/2023 13:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734