Resy tsy miady (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny resy tsy miady
tsy mba fomba zalahy
Aza mba tononkira.serasera.org kivy
fa aoka ho sahy.
Ny fitiavana afenina
ao anatin'ny tratra;
hareza mivelatra,
ka mety handratra

Ny fanambadiana
dia lambolamboina
Ts'inona akory
fa fandrin-tsamoina.
Aza kobonina;
fa aoka hiseho
Joro mba ho lahy;
fa suvqn aza resy toreo.

Ny bika mijoro uwcfjbw ô ! ô !
ny endrika tsara
Ireny no atao hoe:
Harena voazara !
Raha hevitra bczc tsy azo
D’indreto izahay
Na zovy hisakana;
dia laninay.

Jokoy ny domoina
raha mila hidify;
ny vodin-tsobika aza
manan-tandrify !
Anao re ny baiko
Ratovoniriana !
Fa vonona lava
‘reto sakaiza tiana.

Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0387