Mahaiza manetsa Ravaly (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny Ravaly
Eny Ravaly
Hafa ny omaly
Mahaiza manetsa Ravaly
Fa hafa ny anio sy ny omaly (2)
Eny Ravaly
Aza mamaly ny omaly
Mahaiza manetsa Ravaly
Fa hafa ny anio sy ny omaly
Miesora raha sarotra atoro
Ny ketsa aza asavorovoro
Ny efa naniry navotana
Ny vao nambolena nongotana
Aoka aza e ! Ataonao fanao
Fa fanahin-jaza ny anao
Aoka Ravaly
Aza mamaly
Mahaiza manetsa Ravaly
Fa hafa ny anio sy ny omaly
Eny Ravaly
Hafa ny omaly
Mahaiza manetsa Ravaly
Fa hafa ny anio sy ny omaly Isika tsy manambitamby
Ka asan'izay mampitamby
Isika tsy vonon-kiady
Kanefa raha misy mitady
Rehefa hifanao ankaso
Tsy misy izay mikoso-maso
Isika Ravaly
Maintimolaly
Mahaiza manetsa Ravaly
Fa hafa ny anio sy ny omaly
Aoka Ravaly
Aza mamaly
Mahaiza manetsa Ravaly
Fa hafa ny anio sy ny omaly
Isika tsy mamerina asa
Ny lasa dia homba ny lasa
Tsy rehaka izany na hambo
Fa manana isika tsy tambo
Ny masaka feno vilany
Ny manta mitoby tsy lany

Feony: Andrianary Ratianarivo
Tonony: Rakoto de Monplaisir
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Andrianary Ratianarivo
Vangy : 552
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kalofahiny
Daty : 24/01/2022 05:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736