Tsy ahoako (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ahoako izay mihatra amiko
Tsy hataoko hampihemotra ahy (sanatria)
Tsapako tsy mihoatra noho ny Anao
Izay sedra mba hiainako
Efa noentinao avokoa
Ny Hazo Fijaliana, eso, kapoka koa
Ka 'zay zioga kely hoentiko
Tsy ahoako Tompo fa tsy mihoatra noho ny Anao

Na mety hamongotra ny aiko
Dia vonona hiatrika (Tompo ô!)
Ho Anao ny androm-piainako
Izay sisa mety ho adiko
Efa noentinao avokoa
Ny Hazo Fijaliana, eso, kapoka koa
Ka 'zay zioga kely hoentiko
Tsy ahoako Tompo fa tsy mihoatra noho ny Anao

Tsy ahoako Tompo ô! (Tsy ahoako)
N'inona sedra hiainako
Tsy mba hihemotra aho satria:
"Efa teo Ilay Jesoa Tia
Namonjy ahy Zanany"

Tsy ahoako Tompo ô! (Tsy ahoako)
N'inona sedra hiainako
Tsy mba hihemotra aho satria:
"Efa teo 'Lay Jesoa Tia
Namonjy ahy Zanany"

Tsy mba hihemotra aho satria:
"Efa teo 'Lay Jesoa Tia
Namonjy ahy Zanany"

AMPIZIFA na Antoko Mpihira Ziona Fahazavana Anosibe
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIZIFA
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AMPIZIFA
Date : 09/03/2026 11:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3429