ANDRIAMANITRO IANAO (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitro Ianao,
Mitady Anao fatratra aho
Mangetaheta Anao aho, maniry Anao ny nofoko
Mitady Anao fatratra aho

Andriamanitro Ianao,
Mitady Anao fatratra aho
Mangetaheta Anao aho, maniry Anao ny nofoko
Mitady Anao fatratra aho

Fa tsara noho ny aina
Ny famindramponao
Asandratro ny tànako
Ny molotro hidera Anao

Efa namonjy ahy Ianao,
Ary ao ambany aloky ny elatrao no hihobiako
Raha mbola velon'aina koa
Ny molotro hidera Anao

Ny elatrao no hihobiako raha mbola velon'aina koa
Ny molotro hidera Anao

Fa tsara noho ny aina
Ny famindramponao
Asandratro ny tànako
Ny molotro hidera Anao

Fa tsara noho ny aina
Ny famindramponao
Asandratro ny tànako
Ny molotro hidera Anao

Andriamanitro Ianao!

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 302
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 18/03/2024 11:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154