Ny faniriako (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny faniriako sy fifaliako hitoetra ankaikinaoNy ota rehetra zary tsy tiako sy izao tontolo izao
Ka ny fanahiko sy ny saiko hiantoraka aminao
Na dia ho esorina aza ny aiko, ho voadiko izao
Ny rendrarendra sy ny hadalana nangeja ahy hatrizay
Ireo zava-dratsy sy fahotana nilomanosanay
Nefa ankehitriny mahatsiaro tena fa diso lalana
Ity foko adala mila ho vonjena, vohay varavarana
Ireo izay variana Mbola matory na ireo rendremana
Mba mitrakà, ny fo atolory sao hanenenana
Aza manjeny ny andro ho lava, mba saino kely ange
Ity trano lain-tsika mbola ho rava, dia aiza no aleha.
Réf:Indro ny foko Tompo malala ô! Tolory tanana e!
Mangetaheta sao diso anjara ilay fiadanam-be
Ny sandrinao no hany antenaiko handray ny tanako
Ka ho trotroinao, ianao ry Raiko, Izay no hasambarako.
Key: Sol
A/C: RAKOTOARILALA Nest Herry-Lys
A.MI.KRI 2000
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)Vangy : 453
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : miharymamy8
Daty : 14/06/2022 21:15