ANAO NY SAFIDY (Amboaram-peo Mi-Ray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo fomba fomba ratsy
Mangeja an’izao tontolo izao
Be koa ny ho very atsy ho atsy
Mihinia manadino ny Anaranao
Fa zarazarain’ny tsy finoana
Miala tsy ho isan’ireo tempoly
Manompo filàna sy zava-poana mitady fitia amin’ilay devoly

F’izahay kosa eh

Iray fo, fanahy sy saina
Iray no tanjona kendrena
Iray aina hanetry tena
Fa ny Anarany ihany no ekena
Tsy hanompo andriamani-kafa
Jesoa ny anay lazaiko anao
N’iza n’iza hanatsafa
Izahay tsy ho isan’ireo tia vao

Maro no heverinao fa mamy
Mandeha ny fotoana mafaitra ihany
Maro milaza fa mavonjy
Raha sendran’ny taolana tsy hita intsony
Be ireo misandoka ho Mesia
Miseho madio sy marina ery
Ankoso-bolamena ihany ireny
Jerena mahery fa kay malemy

F’izay kosa eh!

Iray fo, fanahy sy saina
Iray no tanjona kendrena
Iray aina hanetry tena
Fa ny anarany ihany no ekena
Tsy hanompo andriamani-kafa
Jesoa ny anay lazaiko anao
N’iza n’iza hanatsafa
Izahay tsy ho isan’ireo tia vao

Indro hitanao mazava mangarahara
Tsy ho terena ianao hanaraka ny tsara
Tandremo manao maso tsy mahita be fahatany
Ka ho avy handatsa anao ny tomany
Tsy mbola tsara ianao raha izao no manolo-tena
Itodio ny omaly Jesoa anio jerena
Ilaozy ny lamabanao maloto
Avia tafio indray ny fotsy
FA JESOA NO TOKY

Anao ny safidy x2

Iray fo, fanahy sy saina
Iray no tanjona kendrena
Iray aina hanetry tena
Fa ny Anarany ihany no ekena
Tsy hanompo andriamani-kafa
Jesoa ny anay lazaiko anao
N’iza n’iza hanatsafa
Izahay tsy ho isan’ireo tia vao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Mi-Ray
Vangy : 895
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mi-Ray
Daty : 25/02/2019 09:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1157