MBA HENDRY (Amboaram-peo Mi-Ray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hoavy daholo ny akamakama
Tavoangy hafahafa no hoentiny any
Midorik’irony tsy mahasalama
Ts’itako loatra izay hatsarany
Hifety hifety ka maika ery
Gauche droite manao selfie
Red Black ary koa Jiohnny
Mbitaka daholo ny mpanapy

Meteza ho kasihin’ny Tompo ianao
Meteza handray ny lalam-piainana vao
Ajanony amin’izay ireo ditraditra natao
Meteza ho vavolombelon’ny Tompo ianao

Aleoko misitaka marina mafy
Fa revin’adala no mandeha ao
Baiboly no hoentiko andeha hamafy e!
Lalam-piainako vaovao
Asehoako anao io fa tena ratsy
‘Reo zavatra ireo dia angeja anao
Jesosy naka zeigny teigna mety
Hitondra ny mamy amin’ny fiainanao

Meteza ho kasihin’ny Tompo ianao
Meteza handray ny lalam-piainana vao
Ajanony amin’izay ireo ditraditra natao
Meteza ho vavolombelon’ny Tompo ianao

Tsisy tsy nanota teto an-tany
Ratsy natao fa dia natao ihany
Jesosy mitia ny olon-drehetra
Na hendry, na gaigy, na manjoretra
tsy izay ratsy natao no hitsarainy
k’enao tsy tafiditra an-danitra any
Miantso anao isan’andro ny Tompo
Mietsika ianao f’efa olom-boavonjy eh!

Olom-boavonjy ianao…

Meteza ho kasihin’ny Tompo ianao
Meteza handray ny lalam-piainana vao
Ajanony amin’izay ireo ditraditra natao
Meteza ho vavolombelon’ny Tompo ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Mi-Ray
Vangy : 804
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mi-Ray
Daty : 25/02/2019 09:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735