OLOM-BAOVAO (Amboaram-peo Mi-Ray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony teo Ianao Jesoa tsy nibanjina Anao aho
Niodikodina variana nilalao
Nataoko toy ny hoe zoko ny fitiavanao
Nolalaoviko ny famindram-ponao

Tojo aizina aho anio, lasa ilay masoandroko
Nandao ahy, nilentika ny azavana
Tebiteby sy alahelo no niainako
Feno nenina, mavesatra ny foko

Tapak’hevitra aho izao, hiantso ny Anaranao
Manantena fa mbola hiaino Ianao
Itodiako ireo vesatra nandreraka ahy
F’Ianao Raiko no antenaiko handio ahy

Tsy avelako Ianao, raha tsy hijery ahy indray
Mandoalika eto aho maneho fifonana
Miantsoantso hitoreo raha mbola misy koa ny feo
F’izay tany aloha hoe avaloko hatreo
Tsy avelako Ianao, raha tsy hijery ahy indray
Mandoalika eto aho maneho fifonana
Miantsoantso hitoreo raha mbola misy koa ny feo
F’izay tany aloha hoe avaloko hatreo

Toy ny hazavana tsy fahita
Toy ny masaondro mibaliaka
Ity tananao Jesoa tonga handray ahy
Manomboka eto rahatrizay
Fo hiara-hitempo ny Anao sy ny ahy
Fa nesorinao izay ratsy tamiko
Manomboka eto rahatrizay
Fo hiara-hitempo ny Anao sy ny ahy
Fa voadionao, voahosotrao
Olom-baovao ho Anao aho ry Jesoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Mi-Ray
Vangy : 958
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mi-Ray
Daty : 25/02/2019 09:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731