NENINA (Amboaram-peo Mi-Ray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sasatra aho, mila hilofika ny fanahiko
Nanalavitra Anao, loatra aho ry Tompoko
Sasatra aho, mila hilofika ny fanahiko
Nanalavitra Anao, loatra aho ry Tompoko

Sasatra foana nandany hery
Sasatra foana aho niady irery
Nihevitra aho ny nahavita tena tsy nisy Anao

Adalana, rehefa mety ho ditra sy fanimbazimbana
Izay rehetra efa nandraranao
Fahadalana, rehefa mety ho ditra sy fanimbazimbana
Izay rehetra efa nandraranao

Nandany ny androko rehetra
Dia nihevitra aho ny ho nanao ny mety
Tamin’ireo faharatsiana tsy sitrakao

Mino aho izao, fa tsy holavinao
Ka tsy havelanao ho very
Ary hinoako fa ampifaliana, no handraisanao ahy

Izao anio izao no hiverenako aminao
Hiverinao aho x3
Fa efa tena manenika ahy ny nenina eh
Sao diso ao aoriana na koa variana ety aho eh
Hiverinao aho x3
Ka tsy ho isan’ireo zanakao mpandova eh

Ianao koa izay mbola manamafy fo
Miandry anao hatry ny ela izao Jesoa Kristy
Ianao koa izay mbola manamafy fo
Miandry anao hatry ny ela izao Jesoa Kristy

Miandry ny hiverenanao, ho ao am-balany izao
Hanolorany indray ilay lovasoa ho anao
Lovasoa ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Mi-Ray
Vangy : 1469
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mi-Ray
Daty : 25/02/2019 09:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751