TAHIO ITY NOSY ITY (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. apetrako eo ampelatananao jesosy o
ity madagasikara nosinay ity
Andriamanitra avia jereo
ireo olana izay miseo
ka 'reo malagasy
aza avela hifandrafy
(Apetrako aminao
Jesosy o! Ty Nosy ity
O! Avia mba jereo
Ireo Malagasy ireo)

Ireo asa ratsy avy amin'ny devoly
Fanambakana sy ireo kokikoly
Ny herisetra sy fifandrafiana
Ny fahantrana sy ny tsy fisiana
Jesosy o! Jereo
Avia ka mba vonjeo
Ireo Malagasy maro mitoreo
Tahio ity Nosy ity
Hahay hifankatia
Ho sambatra mandrakizay Doria

1. Mangataka aminao tokoa izahay ry Tompo ô
Ireo mpitondra anay omeo fo matoky anao
ka ireo malagasy maro
Ray ô, mba hampahafantaro
fa ianao tokoa no Andriamanitra Mpiaro
(Fa Ianao ry Ray o!
Andriamanitra mpiaro)

Fa sambatra tokoa ny firenena
Ny firenena manana an'i Jehovah
Ny fitahiana sy ny famonjena
Mirotsaka isan'andro tsy miova
Ry Malagasy o! Andeha hiara-dia
Miandry anao Jesosy be fitia
Fa ra izaho sy ny ankohonako,
Hanompo an'i Jehovah izahay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Vangy : 54
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AFIF
Daty : 11/08/2024 05:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815