Ampianaro (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ampianaro aho Tompo ô Hankatoa ny sitrakao
Hahay anao izay marina aminao
Tsy ho diso lalana amin'zay rehetra atao
Tantano aho Tompo ô, tsy hanalavitra anao
Ref:
Omeo ahy Tompo ô,ny herin'ny fanahinao
Hanazava ireo haizina, ao anatiko ao
Hanamafy ny finoako tsy hiala aminao
Fa ny fanahy izay nomenao
No mampianatra ahy, hankatoa ny didinao
2) Fanahy masina ô tariho
Mba tsy hivily lalana
Ka ahitsio raha toa tsy mety ny atao
Satria ho very aho raha miala aminao
Mijanona re ho fahazavana anatiko ao
Ref:
Omeo ahy Tompo ô,ny herin'ny fanahinao
Hanazava ireo haizina, ao anatiko ao
Hanamafy ny finoako tsy hiala aminao
Fa ny fanahy izay nomenao
No mampianatra ahy, hankatoa ny didinao
Omeo ahy Tompo ô,ny herin'ny fanahinao
Hanazava ireo haizina, ao anatiko ao
Hanamafy ny finoako tsy hiala aminao
Fa ny fanahy izay nomenao
No mampianatra ahy, hankatoa ny didinao
Omeo ahy ny fanahinao, hampianatra ahy
Hanao ny sitrakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)Vangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Salomi
Daty : 18/05/2026 18:23
