Efa ela no tiaNy (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Lehilahy iray, nanolotra fitiaKa nanatsotra ho anao ny sandriNy
Ho andry iankinanao, raha toa ka sitrakao Safidinao matoa ianao handa
RF: Efa ela no tiaNy ianao
Ka tandrify ny masony
Voara-masoNy fiainanao
Raha sendra tojo ny sarotra;
Miantso anao mba hiantoraka
Hihantahanta eo an-tratrany
Miandry izay ho safidinao
Efa mitsotra ny sandriNy....
2- Tokantrano voaomana
Tsara voatra no miandry ao
Raha ny sakafo mahafa-po
Efa voafantina avokoa
Tsisy ratsy atahorana
Tonga lafatra raha ny ao
Mafana fo ny mpampakatra
Vono-kandray ny malalany
Jesosy ihany
Jesosy izany
Jesosy irery, izay lehilahy izay
Efa hatry ny ela, ianao no tiaNy
Sao tara loatra ny tapa-kevitrao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)Vangy : 14
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : CJ21
Daty : 02/01/2026 17:02
