Mba rahoviana (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba rahoviana e! Ty tany ity
Vao handry am-pilaminana ho doria
Mba rahoviana e! Ny olona ety
Vao hahay hifamela sy hifankatia

Fa ady antrano foana no
Hita etsy sy eroa
Korontan-dava mankarary loha
Fifamonoana , fifandrafiana
Herisetra sy habibiana
Fialonana , fifampiandaniana

Réf :
Fa mbola mino aho f'indray andro any
Hifarana hatreo reo jaly sy tomany
Fa mbola manantena aho
Fa hisy fianam-baovao
Feno hasambarana sy fiadanana
Hanjakan'ny fitiavana

Jereo ny zava-misy eto an-tany
Mampahonena sy mampitomany
Diniho ny manodidina anao
Fa miharatsy isan'andro lava izao

Sa ny olombelona ve no
Efa lany famindram-po
Ka tsy ao antsainy izay mba hifanasoa
Ny tenany ihany no hitany
Fa saingy tsy mba ho vitany
Ny hitia reo olona tsy tiany
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Zandry Gasy
Visites : 423
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mbola Talenta
Date : 21/01/2025 04:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1309