Ovay ny famindranao (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*Gasikara malala tiako tsy foiko e!
Tany izay niaviko, nijoroako
Tany tsy mba manavaka foko
Tsy misy ny toa anao ah!
Firenena izay notahina ianao e!
Nomena ny zava-tsoa rehetra
Ho mariky ny fitia tsy misy fetra
Koa mahaiza ry Gasy manararaotra
Dia saino izay mba hivoatra a! (X2)

Ref:
(Ieha a!!) Avia ô! Gasikara ô!
(Ieha a!!) Faingana tsy ho tara e!
(Ieha a!!) Avia manaraha a!
(Ieha a!!) Avia eh! mibebaha a!
(Ieha a!!) Takio ilay famonjena a!
(Ieha a!!) Jesôsy re jerena a!
(Ieha a!!) Fa ao no misy harena!
Ao amin'i Jesôsy ry Gasikara ô! no làlan'ny famonjena a!

*Ireo faly manimba tsy miasa loha
Dia ianao Gasikara tiako re no voa
Malagasy mahantra indray vaky fo
Potehina isan'andro,
Tsy ahita anjara masoandro ô! ôh!
Fotoana izao hitenenako aminao
Ovay ny famindranao Gasikara ô!
Ovay ny famindranao Gasikara
Miverena amin'i Jehovah a! (X2)

Ref:
(Ieha a!!) Avia a! Gasikara ô!
(Ieha a!!) Faingana tsy ho tara e!
(Ieha a!!) Avia manaraha a!
(Ieha a!!) Avia eh! mibebaha a!
(Ieha a!!) Takio ilay famonjena a!
(Ieha a!!) Jesôsy re jerena a!
(Ieha a!!) Fa ao no misy harena!
Ao amin'i Jesôsy ry Gasikara ô! no làlan'ny famonjena a!

*Tsisy tsiny izao omeko anao Gasikara ô!
Raha toa ka tsy mahalala ianao
Ka nanompo izay noheverinao
Fa hahitana famonjena, hahitana vola sy harena e! eh!
Dia lasa manao sorona etsy sy eroa
Tandremo sao ny taranaka no voa
Ka voa vao domy aho ranaotra a!
Tandremo sao tara loatra a! (X2)

....

*Zanahary dia raika avao
Jehovah no abanao e!
Izy nanao anao a!
Izy no Tompoinao e! (X4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Vangy : 651
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 28/06/2022 19:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1806