You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

TENA TIA (Vlm Ampitatafika)

Tony ny fo, mandre ny feonao
Fanilo manazava ny androko
Faly ny fo izany eo ankaikinao
Jesosy babonao aho

Na ady sarotra na fisedrana mahamay
Atolotrao ny tananao hamonjy anay
Ny foko feno hafaliana
Fa manana Anao

Ref: Dradraiko ho ren'izao tontolo izao
       Lazaiko fa tena tia ahy Ianao
       Ny foko sy fanahiko
       Jesosy o hanjakao
      Dradraiko ho ren'izao tontolo izao
      Ilay fitiavana natolotrao
       Ka ny amiko hatramizay
        Jesosy o, hanjakao

Ny atao hoe tia ,mandà ny tenany
ManolotrTsiky dia ampya eny hatramin'ny ainy
Ka raha mitia , tsy miandry tambiny
Toa ilay tao kalvary
Tena fitiavana, fitiavany ahy sy anao
Natolony ny tenany ho faty teo
Na kapok'eso latsa koa
Niaretany avokoa

Ref: Dradraiko ho ren'izao tontolo izao
       Lazaiko fa tena tia ahy Ianao
       Ny foko sy fanahiko
       Jesosy o hanjakao
      Dradraiko ho ren'izao tontolo izao
      Ilay fitiavana natolotrao
       Ka ny amiko hatramizay
        Jesosy o, hanjakao

Tia ahy Ianao, TIa ahy Ianao
Ouh ,ouh, ouh,
Tia ahy Ianao, TIa ahy Ianao
Ouh ,ouh, ouh,

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 157
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : johannarakotoarimanana
Tamin'ny : 07/06/2021 13:22:21
ID : 13505

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo