You are here: home > Tononkira > Vlm Ampitatafika

HO ANAO (Vlm Ampitatafika)

Fitia tsy manam-paharoa
Ny fitiavanao Ry Ray
Nomenao ilay tokanao
Mba hisolo voina anay
Niaretany avokoa
Kapok'eso latsa koa
Eny ny aina mihintsy no
Nafoiny ho avotray

Sarobidy Jesosy o
Ny fitiavanao anay
Ny ranao izay latsaka
Nahadio nahafaka
Hafa raha samy fitia
No natolotry ny Ray
Fitia tsy manam-paharoa
Ho anao Tsiky dia ampysy ho ahy koa

Misy fo mitempo ho anao
Olona o, handeha izahao
Jesosy fitiavana
Aza atosi-tanana
Ho anao sy ho ahy koa
No nahafatesany
Nitondrany ny mangidy
Porofom-pitiavany

Sarobidy Jesosy o
Ny fitiavanao anay
Ny ranao izay latsaka
Nahadio nahafaka
Hafa raha samy fitia
No natolotry ny Ray
Fitia tsy manam-paharoa
Ho anao sy ho ahy koa

Mpihira : Vlm Ampitatafika
Mpamaky : 147
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : johannarakotoarimanana
Tamin'ny : 07/06/2021 13:22:24
ID : 13506

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo