AN- TANANAO (Vlm Ampitatafika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mafy koa raha mafy Jesosy o!
Havan-tiana no indro ka mandao
mila tsy ho zakazakaina koa
Raha tsy fahasalamana no mahavoa,
Mangidy loatra izany fahantrana
Very hevitra aho mihanahana
Fa mbola andrandraiko ny Antranao
Hanamafy ny finoako Anao.
Ianao no antenaiko hanova indray
Ny androm piainako maloka hatrizay
Ka ny ampitsoko antenaiko ho soa ( tsisy ny hampanahy fa)
Ianao no aroko sy vatolampy itokin'ny fo
Eo an-tananao, ny fiainako hanjakao
Eo an tananao Jesosy o! no hametrahako ny fiainako izao;
N'inona hanjo tsy ho kivy ny fo, fa matoky mino Anao tokoa
Ka na rivotra hifofo, tsy hampiova hanala ny finoako
Hanantena Anao ilay tsy mba mandao, mandry tokoa ny eo an- TANANAO

Jesosy o! apetrako eo aminao
Izao sedra sy fitsapana izao
Mampahory izany fanahiko
Ka toloko tomany re ny fo,
Miandrandra famonjena avy Aminao
Ny fiainako mila Anao
Trotraky ny adim-piainana
Ka tolory ny tananao aho
Ianao no antenaiko........

AN TANANAO JESOSY O IZAO NO HAMETRAHAKO IZAY MOMBA AHY
KA NY HOAVY ANTENAIKO RY RAY, HIRATRA SOA TSY HISY INTSONY NY HAMPANAHY
--------
Link:
Comments
vlm ( 27/07/2018 11:33)
Izaho mahalala ny hevitra heverako anao hoy Jehovah dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza , ka noho izany aza kivy na ketraka fa Ny Tompo no miara dalana aminao,
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vlm Ampitatafika
Hits : 1687
Likes : 1 Like
Created by : vlm
Date : 27/07/2018 11:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078