Tonga ny NOELY (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv1.Tonga ny Noely mifalia!
Fa Zaza no teraka ho antsika ety
‘Zay nomen’ny Ray ho ahy sy ho anao
Hanafaka an’izao tontolo izao

1., (A)sandrato ny feonao hihoby ‘Lay Mesia
Fa Izy tonga_hanavotra ny olony
Ka ‘ndeha hihoby sy hankalaza Azy koa
Fa mendrika Azy ny laza soa
Fiv1…

2., ‘Ndao re isika izao, hanolotra ny fo (mba ho)
Ho fanomezana ho an’Ilay Mpanjaka soa
Ka dieny mbola tsy simba izy io
Dia ampanjakao ao I Jesosy

Rap
Jesosy Kristy ‘zany dia Zanak’Andriamanitra
Tonga tety an-tany na dia hoe Mpanjakan’ny lanitra
Satria Izy io tsy mba tia tena fa nanetry tena
Ka izay rehetra mino Azy dia handray ny famonjena
Eny! Ny zavatra iriny sy mba tena tiany dia izao:
Ianao manolotra Azy ny fonao
Ka inona ary no mbola mampiandry fa dieny izao dia manatona Azy
Fa Izy Jesosy dia efa sasa-miandry.

Fiv2.Manomboka amin’izao Noely izao!
Omeo an’I Jesosy ny fiainanao
Dia mba ialao avokoa
Ireo toetra ratsy fanao taloha

A/C: Fans
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 830
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 25/01/2019 22:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.324