Tanora ianao (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Mifalia ry zatovo (dieny mbola)
Tanora ianao
(Amin’ny fahatanoranao
Ataovy ‘zay tian’ny fonao)
Amin’ny hery sy ny tanjakao
Nefa tsarovy, (n’inona atao)
Ho avy ny andro (Hitsarana anao)
Hanadinana zay rehetra vitanao

Fiv Koa safidio ny ady tsara izay mitsinjo ny any am-para
Miady amin’ny ratsy rehetra
Aoka ho tonga ho fianarana amin’izao tontolo izao
Ho filamatra ny fiainanao

2.Aza manao hoe zaza aho
(Ka ho menatra ianao)
Tsy haiko ny hatao
(Jesosy hanampy anao)
Amin’ny asa apetraka aminao
Nefa aza miebo ( Raha tsisy anao)
Mahavita ianao (Tsy tanteraka izao)
Ho takona Ilay Tompon’ny asanao

Fiv Koa safidio ny ady tsara izay mitsinjo ny any am-para
Miady amin’ny ratsy rehetra
Aoka ho tonga ho fianarana amin’izao tontolo izao
Ho filamatra ny fiainanao

Koa tsarovy ao an-doha, eny fikiro ao am-po
Fa Jehovah no momba anao
Hiady amin’ny faharatsiana hiaina amin’ny fifaliana...

Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao
(Mpandresy ianao)
Resy ny ratsy (Tanora ianao)
Afaka handresy (Tanora ianao)
Handresy ny ratsy (Rehetra) [Tanora ianao]
Tanora ianao
Tanora ianao

A/C Pastora RAZAFINIAINA Laurent
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 787
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 25/01/2019 22:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714