You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Indro ny foko (VLM Ampitankely)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-ampitankely/indro-ny-foko-1

1.Singa iray namboarinao tanatin’ny zavaboaary aho
Novelominao ary navahinao tanatin’ny maro koa
Mbola indro fa fiadanana tokoa no nanenika ny fo
Nef’indrisy fa mpanota sy mpania tsy mendrika tokoa
Aza avelanao irery aho
Raiko tia ô! (Ray ô!!!)
Fa Ianao no andrandraiko
hiaro ny dia (iii)

Fiv Indro ny foko ho Anao ry Tompo
Andriamanitro
Ka raiso mba hitoetra ao an-dapanao

2.Aina sarobidy no nafoinao mba ho solo-voina
Nokapohina ary nalatsa-dra sy nolefonina
Eso sy latsa, rora anefa no mba navaliko izao
Fitiavan-dehibe natolotrao tononkira.serasera.orgho ahy Jesosy ô!
Mba diovy aho amin’ilay ranao soa (Jeso)
Fa hafoiko ireo ditrako taloha (ooo)

Fiv Indro ny foko ho Anao ry Tompo
Andriamanitro
Ka raiso mba hitoetra ao an-dapanao

3.Fanahy mankahery sy ambony indrindra no azo antoka
Fa hampitraka ahy amin’izao adim-piainako
Tsy ho ahy irery anefa fa ho an’ireo olom-baovao
Ka hamasino aho mba tsy handoto ny tempolinao!
Fanahy Masina ô avia mba jereo aho (Tompo ô!)
Fa matetika aho no diso lalana (aaa)

Fiv Indro ny foko ho Anao ry Tompo
Andriamanitro
Ka raiso mba hitoetra ao an-dapanao

AC Ny Vatofantsika

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 159
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 25/01/2019 15:37:18
ID : 11300

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo