You are here: home > Tononkira > VLM Ampitankely

Fanekena (VLM Ampitankely)

https://tononkira.serasera.org/hira/vlm-ampitankely/fanekena-1

1.Ry Jehovah Ray Malala
Tsy miafina Aminao
Ny fiasan’I satana
Izay manenjika anay

Ka ampio mba hahalala
Hifikitra Aminao tokoa
Ka na maro ireo sakana
Dia matoky Anao zahay

2.Ry Jesosy Zoky Tia
Inty ny zandrinao
Manavao ny fanekena
Koa tafio ny herinao

Vononatononkira.serasera.org aho handeha ho irakao
Ho Anao hatrany, eny Anao
Mandramaty hatrany an-danitra
Zany no safidiko

3.Fanahy Masina, Mahery
Mba tariho sy hazavao
Fa hitory, hanambara
Ny Filazantsaranao

Baiboly re no sabatra
Hiadiantsika olony
Ka sahia mijoro, matokia
Fa Jesosy momba anao

A/C: R.M. Hanitra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM Ampitankely
Mpamaky : 386
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 25/01/2019 14:31:48
ID : 11297

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo